Avotra: OAuth
| Fanamarihana: Rehefa manova ity pejy ity ianao dia manaiky ny hamoaka ny anjara birikinao eo ambanin'ny CC0. Zahao ny Pejy Public Help raha mila fanazavana fanampiny. |

OAuth (fanafohezana ny open authorization na fisokafan'alalana) dia fomba iray hanomezana ireo fampihatra ivelany ("mifandray tendro") alalana hanao fanitsiana sy hetsika hafa amin'ny anaranao. Amin'ny alalan'ny fampiasainao io arofenitra fanamarinana io no ahafahanao mamela ("miantoka") fampihatra iray mifandray tendro aminy ho afa-miasa amin'ny alalan'ny kaontinao tsy mila mampiditra ny tenimiafinao, sady tsy mamela azy hanao zavatra tsy tokony ataony. Be ireo tranonkala hafa mampiasa ny arofenitra OAuth, anisan'izany ireo tranonkala lehibe tahaka ny Google sy Flickr.
Ohatra iray amin'ny fampiasana ny OAuth ao amin'ireo wikis Wikimedia ny fitaovam-panitsiana sary CropTool.
Fanontaniana matetika miverimberina
Raha tsy voavaly eto ny fanontanianao, aza misalasala manontany ao amin'ny Dinika fa hisy hamaly anao ao.
Azo antoka ve ny OAuth?
Eny, natao ho azon'ireo mpandray anjara hafa antoka ny arofenitra OAuth
Voalohany, avelan'ny OAuth ireo tranonkala hafa hiditra amin'ny kaontinao nefa tsy nomenao azy ireny ny tenimiafina. Afa-miditra amin'ny kaontinao ny fampihatra raha nomenao alalana hanao izany, fa rehefa tsipahinao izany zo izany, dia tsy ho afa-manao na inona na inona avy hatrany amin'ny anaranao ny fampihatra.
Faharoa, izay fihetsika manokana nomenao alalana ihany no azon'ireo tranonkala hafa atao. Midika izany, ohatra, raha mpandrindra (admin) ianao, ary ny "zo fototra" ihany no avelanao ho an'ny fampihatra iray, raha manandrana hamafa pejy iray ny fampihatra (izay itakiana ny zon'ny mpandrindra) dia hotsipahin'ny wiki izany fangatahina izany. Taloha, raha manana ny tenimiafinao ny fampihatra iray, dia ny fanomezan-tokin'ny mpanoratra ny fampiharana fa tsy hampiasa ny zony avolenta ihany no ianteheranao.
Ahoana ny fiantraikan'izany amiko izao?
Tsy afa-manao na inona na inona tsy mahazo alalana aminao ny fampihatra, ka mandra-mpanapa-kevitrao hikirakira fampihatra mampiasa OAuth, tsy hisy inona hanjo anao.
Ahoana ny hifandraisan'ny kaontiko tendro amin'ny fampihatra iray?

Raha misy fampihatra iray maniry hampiasa OAuth amin'ny anaranao, mila manome alalana azy ianao hanaovany izany. Tsy afa-manao zavatra amin'ny anaranao tsy mahazo alalana ny fampihatra.
Raha misy fampihatra mangataka alalana aminao, hisy boaty ifampiresahina aseho milaza aminao ny zo angatahin'ny fampihatra (jereo sary ankavanana).
Raha tendrenao ny Annuler, dia nialàna izay ny paikam-panomezana alalana.
Raha tendrenao ny Autoriser, homena alalana hanao izay voasoratra ao amin'ny boaty ifampiresahina ny fampihatra.
Hihatra ny fanomezana alalana mandra-panaisotrao izany.
Azo jerena ao amin'ny Special:OAuthListConsumers ny lisitry ny fampihatra afa-miasa amin'izao fotoana.
Ahoana ny ijereko izay fampihatra mifandray tendro amin'ny kaontiko?
Ny pejy Special:OAuthManageMyGrants (izay azo jerena avy amin'ny bokotra Gérer les applications connectées amin'ny hihy Mombamomba anao ao amin'ny preferences) no manome ny lisitra feno ireo fampihatra nomenao alalana hiditra amin'ny kaontinao.
Avy amin'ity pejy ity koa ianao afa-manitsy na manaisotra alalana.
Ahoana ny hanesorako ny fahafahan'ny fampihatra iray miditra amin'ny kaontiko?
Mandehana ao amin'ny Special:OAuthManageMyGrants, mijery ny fampihatra tianao esorina alalana, ary tendreo révoquer l’accès.
Avy eo, ao amin'ny pejy misokatra, tsindrio ny bokotra Ne plus autoriser.
Vantany vao miala ny alalan'ilay fampihatra, dia tsy ho afa-miditra ao amin'ny kaontinao intsony izy na hiasa amin'ny anaranao. Tsy maintsy mandalo ny paikam-panomezana alalana ny fampihatra indray ianao ahafahany miditra amin'ny kaontinao.
Mahasahana ny manontolo ny fitantanana ny tava ifandraisana - fampihatra mitovy no asehony na inona na inona wiki Wikimedia misy anao.
Ahoana ny hanovako izay azon'ny fampiharana iray atao amin'ny kaontiko?
Mandehana mankao amin'ny Special:OAuthManageMyGrants, mitady ny fampihatra tianao ovaina alalana, ary tendreo gérer l’accès.
Ao ianao afa-manaisotra ny alalana tsirairay, ankoatra ny Zo fototra, izay ny zo kely indrindra amin'ny fampihatra mifandray tendro ahafahany miasa.
Afa-mijery ohatra iray amin'ny fomba fiasan'ny OAuth ve aho?
Brad Jorsch izao nametraka ohatra iray amin'ny fomba fiasan'ny OAuth antsoina hoe "OAuth Hello World!". Mandehanao ao amin'ny https://oauth-hello-world.toolforge.org/ raha hanandrana azy.
Ahoana no ahafahako mampiasa OAuth amin'ny fampihatrako manokana?
jereo azafady OAuth/For Developers